Ambony sy ambany

Betsaka tokoa ankehitriny no mandiso an'ireo teny ireo. Ny antony, ny fahitako azy, dia mety ny nanoratra azy voaloha (ny misionera angamba) no tsy nahita fomba anoratana azy tsara. Ka nony taty aoriana dia noraisin'ny olona nianatra ho marina ilay izy ka niova hatramin'ny tompo-teny.

Ny tena marina angamba dia ambo sy amba no tokony ho izy. Ary ny ny dia mpanoritra na antsoin'ny frantsay hoe "article".
Ohatra: eo ambony hazo. Mety tsara izao io raha tenenina, na soratana aza. Nefa raha dinihina ny lafin'ny fitsipi-pitenenana nifanarahana, dia tokony hoe eo ambon'ny hazo. Ny n voaloha dia fanatsaram-peo izay tsy tokony ho eo akory raha ny tena feo no henoina.
Fa lasa niova ilay izy ka lasa ambony no fiteny ka lasa eo ambonin'ny hazo no lasa fahazaran-dratsy.

Tsy dia sarotra ny fahitako azy ny miverina amin'ny tena marina: any ambany tany fa tsy any ambanin'ny tany. Fa ny hitako mampiambakavaka dia ilay rehefa hampiasa ny mpanondro ilay.
Ohatra: eo amban'ilay hazo fa tsy eo ambanin'ilay hazo
Eny e, azo kotranina kely ihany.