Ny fomba fampianarana tsy misy "mi-double"

Tamin'ny taona 2004 tany ho any dia saika nampiharin'ny governemanta malagasy ny fomba fampianarana "tsy misy mi-double". Tonga dia nandà daholo ny ankamaroan'ny sekoly. Nilaza ary avy eo ny fitondrana fa amin'ny sekoly fanabeazana fototra ihany no ampiharina io fomba fampianarana io. Fa mbola tsy nanaiky ihany ny sekoly tsy miankina, indrindra fa ny sekoly katolika.
Rehefa nandinika anefa aho 8 taona taty aoriana dia hitako fa ny fanazavana ny atao hoe fomba fampianarana tsy misy mi-double no tsy azon'ny olona. Na izaho koa aza tsy naazo tamin'izany.

Tsy misy malaza noho ny oniversite amerikanina angamba raha samy oniversite eto an-tany. Ary na ny sinoa mandroso be io aza dia mandefa ny zanany hianatra any amin'ny amerikanina. Ary io fomba tsy misy mi-double io mihitsy no fomba ampianarany. Misy koa ny efa mampiatra azy io eny amin'ny sekoly ambaratonga ambanimbany.

Ho velabelariko ary io fomba io.

Ny tena izy dia tsy hoe tsy misy mi-double fa ilay klasy mihitsy no tsy andrefesana ny fahalalan'ny ankizy. Izany hoe, ny T3 ohatra tsy ambonin'ny T2 fa ny fahalalan'ny ankizy isaky ny taranja no refesina dia iny no mamaritra ny kilasin'ny taranja raisiny.

Izay fohy izay fotsiny ny famaritana azy.

Haka ohatra momba ahy manokana aho:
Fony aho mbola teny amin'ny ambaratonga faharoa fototra dia tsy nahay ary tsy niezaka nianatra teny frantsay mihitsy. (Izy io moa somary dieny mbola kely aho no tsy dia tia an'ilay frantsay loatra). 2 fotsiny koa moa ny lanjan'ny tarannja frantsay. Ny teny malagasy indray dia nanan-danja 3, ny matematika sy fizika no tena nikofohako mafy izay nanan-danja 3, 5 aza moa tamin'ny kilasy famaranana. Ny taranja zavaboahary sy ny tajefy dia mba teo ho eo ihany aho.
Ilay taranja teny frantsay anefa nihasarotra foana isaka ny mifindra kilasy. Raha io no nandrefesana dia anisan'ireo 10 farany aho angamba. Fa vokatr'ireo "fika naofa" nataoko ireo dia anisan'ireo ankizy hoe "enjana" aho tao am-pianarana.

Raha ny fomba fampianarana "tsy misy mi-double" kosa no nampiarina tamin'io, dia ni-double im-betsaka aho tamin'ny taranja frantsay. Ka tsy maintsy niezaka na tiako na tsy tiako raha tia hiray kilasy tamin'ny namako.

Izay ilay izy.
Fa ny lafy ratsiny hitako amin'io indray dia rehefa tena ampiharina ilay izy dia matetika tsy mifankahalala intsony ny mpianatra ao an-dakilasy. Fa ohatra hoe maneno ny lakilosy dia lasa mibata kitapo mamonjy ny taranja sahazany avy ny ankizy. Lasa somary maka ho azy avy eo ilay fiarahamonina fa tsy tena misy fihavanana miara-mifindra intsony.

Tsy haiko raha mazava ilay lahatsoratra.