Mamono tena
Nampidirin'i sitlo | 28 Jol, 2010Namaky kely ny dinik'ingahy simplex aho teo. Mba faly ery fa fohy ilay izy dia mba voavaky.
Raha nanao filozofia tamin'ny kilasy famaranana dia raikitra ny fanadinana. "est-ce que la vie vaut la peine d'etre vecue?". Na "mendrika ny hiainana ve ny fiainana?"
Tsia no fahitako azy tamin'izay. Ampiasao tsara ange ny saina eh. Eny fa ny hoe lalàn'Andriamanitra aza dia avy amin'ny olombelona ihany. Ny fiainana aorian'ny fahafatesana dia fanantenana sy finoana. Tsy misy afaka milaza hoe tsy ho tahaka ny talohan'ny nahaterahana ihany no hitranga eo.
Ny hany "eny" valiteny azoko noraisina vokatr'ilay fanadianana dia hoe:
Maro no milaza fa mangidy ny fiainana. Maro no milaza fa mamy ny fiainana. Maro no milaza fa ivelambelany fotsiny ny fiainana. Maro no ... ny fiainana. Fa na oe aza izany rehetra izany, vitsy no sahy mamono tena. Raha izay no dinihina, na eo aza ny fomba fijery rehetra, aleo ihany miaina...
Ny tiako tenenina dia hoe: ny olona mamono tena dia misaina tanteraka, ary azy ny ainy ka izay tiany anaovana azy.
Mampanontany tena ahy foana ny olona mahavita mamono tena hoe marary saina ve sa ahoana? satria ny olona am-bavahoanan'ny fahafatesana (fahafatesana natoraly) aza manantena mafy ny ho sitrana sy hahazo andro iray tombony hatrany. Asa re! fa dia mampihaiky...
Nampidirin'i Belle am 28 Jol 2010, 14:23