Blaogy fimenomenomana

Nampidirin'i sitlo | 13 Mar, 2010

Nisy akamako izay tato amin'ny serasera tato. Izy ilay ankizy tsy dia mpiteniteny izay. Teto amin'ny serasera fotsiny no nifankahalalanay. Dia idray andro izy niteny tamiko hoe izy koa hono manana blaogy. Fa tsy atorony na an'iza na an'iza mihitsy fa izy ihany. Dia fimenomenomany hono ilay izy, mivoaka ao daholo zao tsy fampiseho masoandro rehetra izao.

Dia taorian'izay aho mba nanao koa. Fa tena ilaina ilay izy. Rehefa tonga aty aoriana mamaky dia mihomehimehy fotsiny. in-telo isan-taona eo fotsiny aho angamba no mijery azy. Fa tandroany aho saika handeha himenomenona dia gaga fa efa voafafa ilay site nampiasaiko. Niafana tampoka teo mihitsy ny menomenona saika nataoko.

A suivra...


9 Hevitra and 0 Verindrohy (trackback) - "Blaogy fimenomenomana"


    Manaova ind1 dia atoroy ahy e ;)

    Nampidirin'i Kdaombaramita am 13 Mar 2010, 08:28

    hahha

    hahahaha, tsy ratsy kosa izany an!

    Nampidirin'i Vale am 13 Mar 2010, 10:50

    halako izy manao an'io manjavona io an !!! Zah zao efa fay t@ blaogy.org dia ny lahatsoratra tiako hoe tehirizina efa ataoko ato anaty disc dur ihany no apetrako any @ blog-ko hafa, ny sasany ataoko caché hihihi

    ataovy ato ilay menomenona be tafavoaka nony nahita ilay blog nanjavona e...

    Nampidirin'i ikalamako am 13 Mar 2010, 11:20

    lol
    za koa manana :)
    za ndray refa avy manoratra dia ny t@ erin-taona no vakiako...
    secret secret be hu hu

    Nampidirin'i simp am 13 Mar 2010, 11:53

    en fait, poinsa ny 80% an'ny mpiblaogy eto manana blaogy anakiray hafa doly... ny antsasak'zay tsy ankiteniteny hoy aho...
    u know that we know that u know that we know...
    ^:^

    Nampidirin'i simp am 13 Mar 2010, 11:55

    aza mimenomenona zany fa lany rora eo

    Nampidirin'i news2dago am 13 Mar 2010, 18:29

    hahahaha, za ndray tsy mimenomenona antsoratra zany fa tonga de ambava ihany , am teny gasy be de tsisy mahalala hihihihihih

    Nampidirin'i yonika am 13 Mar 2010, 21:11

    hahahahaa tsy niafana ilay menomenona fa nifindra blaogy fotsiny k

    Nampidirin'i castle am 13 Mar 2010, 22:11

    Tsara ny mimenomenona

    Tena hevitra tsara mihitsy io ry Sitlo.
    Ny ahy kosa dia indraindray ataoko fialam-boly ny mikaroka ao amin' ny Google, ka "teny tsy-faseho-masoandro malagasy" (na ilay antsointsika hoe "teny ratsy malagasy") no atao search keywords,
    dia hitako mitranga eny ihany ny blogs vitsivitsy misy an'ireny fimenomenonana ireny.
    Mahafinaritra ny mamaky azy ireny satria maha-tonga saina hoe: hay mitovitovy daholo ihany ny praobleman'ny olombelona rehetra...

    Nampidirin'i raprôsy am 14 Mar 2010, 12:59