Tsy manangan-tsaina satria. [nampiana]
Nampidirin'i sitlo | 25 Jio, 2009Rehefa somary nandinika aho dia tsy mitovy mihitsy ny fandraisan'ny vahiny sy ny malagasy ny atao hoe saina.
Raha ny fahalalako azy dia ny tantsinana no namorona an'io saina io. Taty aoriana dia nalain'ny romanina tahaka. Tsy mbola naheno aho hoe ny jiosy na ny ejipsianina na ny grika dia nanangan-tsaina.

Vokatry ny fahatafitan'ny romanina tamin'izany andro izany dia niparitaka tao Eoropa ny saina ka isaka ny fanjakana (kingdom) iray dia saika namorona ny sainy daholo.
Inona ary ny antony?

1- Ady sy tolona
Manome herim-po ny mahery fo (tsy nataoko hoe miaramila) eo amperin'ady ny mahita ny saina mihofahofa. Manamarika iny fa mbola mitohy ny tolona ijorana.
2- Rehefa milamina ny tany
Dia manamarika iny fa naharesy tamin'ny tolona natao ny vahoaka eo amin'ilay toerana.
Rehefa mivadika fotsy ny saina dia midika fa manaiky ny loko rehetra handokona azy izy. Izany hoe manaiky hankatoa izay hitranga rehetra eo ny olona ao.
Noho izany:
1- Tsy kolotsaina malagasy ny saina.
Rova no fomba nanehoan'ny malagasy fa misy fanjakana eo amin'ny toerana iray. Rehefa nisy nandoro ny rova dia maro ireo olona no nitomany. Anao no maminavina ny antony.
Fa atsipiko kely ity. Ny filoha Ravalomanana irery no mpitondra mba niezaka nanarina ny rova. Ny sisa dia nisoloky naka vola tamin'ny vahoaka fotsiny. Lasa fiteny fanesoana mihitsy ilay hoe "manomeza kely hanamboarana ny rova". Nefa ny tena hevitra ao anatin'io fiteny io dia "kivio ny malagasy mba hanadino ny maha-izy azy".
2- Ny tsy fananganana saina dia tsy midika fa manangana saina fotsy. Milaza fotsiny izy hoe tsy milamina ny tany ka tsy apetraka ny saina fa entina. Entina eny amin'ny tolona.
3- Tsy ny saina no maha-malagasy ny gasy. Endrika ivelany fotsiny iny.
Alefako kely ho an'i pissoa ity tagy iray ity.
Raha niteny aho hoe tsy hitako izany maha-"fier d'etre gasy" dia namaly ianao fa ny teny malagasy. Ka raha ny filoham-pirenena (mitovy laharana amin'ny sainam-pirenena) izay niezaka namerina ny teny malagasy no atao hoe adin-jiolahim-boto. Ataoko fa ianao ihany kosa angamba dia efa manohitra ny hevitrao.
Farany, izao no atao hoe manangana ny sainam-pirenena:

Ary izao no atao hoe tsy tokony hanangana sainam-pirenena amin'ny andro anaovan'ny miaramila matso.

Satria nahoana?
Ny tandroka natao hiaro no vozona indray no indro nanatrebaka ny kibo. Miaramila malagasy ireo nanipy ny sainam-pirenena malagasy ireo.
Nampiako kely an'ity vaovao mampalahelo ity. Nody mandry androany i Michael Jackson. Mamangy ny fahorian'ireo mpakafy. Izaho anisany.

Ny Rovan' i Manjakamiadana dia an'ny Fanjakana Merina fotsiny fa ny saina fotsy-mena-maitso :)) kosa dia manambara fa firenena i Madagasikara ka ao daholo ny foko 18 (sao dia tsy 18 intsony indray aloha ny foko fa tsy maharaka aho indraindray).
Ny saina kosa dia tapa-damba afatotra na raiketina @ taho. Misy marika izy io : loko, sary,... satria natao hahalalana manokana ny vondrona, na firenena, na tanàna, na holafy, na fikambanana...Izany hoe natao hamantarana ireo ny saina sady natao hanambarana hevitra iray (ohatra saina fotsy milaza fa milavo lefona, ny saina eny amoron-dranomasina aza dia misy dikany avokoa hoe mena milaza fa mandoza ny toerana misy ilay saina ka tsara raha ialana lavitra, eo koa ohatra ny saina mainty sy fotsy manambara ny fiaingana sy fahatongavana @ formule1).
Ka ny sainam-pirenena noho izany dia natao hahalalana ny firenena iray ary betsaka ny fombafomba tsy maintsy arahina @ fampiasana ny sainam-pirenena (tsy azo avadika fa miova ny dikany, misy fomba famalonana azy, rehefa misaona...).
Marina fa tsy ny olona rehetra no manangana saina rehefa fetim-pirenena na ivelan'i Madagasikara aza, tsisy didy milaza izany.
Ny hevitra tiako aseho amin'izao fotoana izao dia hoe na misy adilahy aza ao fa mitsiriritra ny taniko ny hafa dia mbola saina malagasy no mihofahofa ao fa tsy tricolore frantsay na kintana sy tsipika amerikana na sainan-dr'i kely maso sy ry be turban.
Ny momba an-dRazily dia nanao toy ny miaramila teny amin'ny vavaady hatrizay ihany izy. Izay mitondra saina ihany no cible voalohany, NIsy saina daholo ny ady rehetra kanefa dia be koa ny namoy ny ainy tany an'ady. Vava ady Analakely tamin'ireny fotoana ireny ka efa nampoizina fa izay no ho hiafarany satria matetika ny miaramila alefa ambavaady dia efa domelina ny sainy. Provocation ihany koa moa iny satria efa hay tsara fa izay no iafarany. Tsara ny mahery fo fa na mausolée na fasan-drazana dia rangolahy daholo izany.
Ka mba tsy hanaovana safobemantsina fa ny malagasy ihany no manipy ny sainany anaty kamiô dia ny ahy ahofahofako amin'izao 26 jiona 2009 izao. Tsy tadidiko oviana ny tranonay no nisy saina nihofa farany (1978 angamba na talohan'izay).
Raha nahanton'ny HAT ny Lalam-panorenana dia mino aho fa tsy midika izany hoe tsy io intsony ny sainam-pirenena malagasy. Mandra-pamoakany didy vaovao milaza fa miova ny saina dia mbola io aloha ny sainantsika. Toy ny manantona fitsarana ihany, tsy midika fa tonga dia tsy meloka intsony ny olona iray fa mbola meloka izy fa miandry fotsiny indray izay fomba hafa hitsarana azy.
Nampidirin'i ikalamako am 25 Jio 2009, 23:04