Ilay tetikasa mavesatra

Nampidirin'i sitlo | 27 Nov, 2008, 08:19

Androany aho vao nazoto handefa ireo sary tamin'ilay tetikasa minday fihogo.

Izao ilay izy: vao maraina aloha aho dia natory maraina. Tena hitako nivadika tanteraka mihitsy aho satria fony tany Madagasikara dia anisan'ireo mpatory amin'ny 8 dia mifoha amin'ny 4 maraina. Nefa aty aho amin'ireo mpatory amin'ny 2 maraina dia mifoha amin'ny 8. Sokina an-tanimena hono eh, izay aleha ihany no mitondra ny loko.

Dia rehefa avy nikenikenina aho dia napetrako amin'izay ilay fihogo. Nasaiko nojeren'ialay mainty tsara aloha.

 Dia avy eo aho nivoaka ny trano. Tsy nahalala fa kay mandrivotra be ny andro fa mamanton-dririnina. Mazava ho azy fa tsy nisy olona. Oainina kely ilay minday fihogo.

Dia avy eo nisy razoky mba gaga:

fa saingy razoky. Frown

Dia avy eo aho saika tara sady tsy nieritreritra zavatra hafa ankoatra ny fianarana dia tsy nisy azoko daholo ny sarin'ireo olona nijery ahy.

Dia ny tao am-pianarana moa izany tsy nalaiko sary fa mahasosotra sao misy oay a oay. Efa betsaka ihany mantsy izay nitondra faisana tamin'ny blaogy milaza ny momba ny ao am-piasany izay. Ka tsy haiko raha toa izany koa ny ao am-pianarana.

Fa nony nirava dia iny amin'izay aho naka sary. Sady mba nisava ny andro. Fa saingy mbola kofa indray no Frown

Dia mba nisy sipa azoko sary ihany ny farany.

Teny amin'ny lalana mankany amin'ny trano famakiam-boky io. Aoka tsy adino mantsy fa ilay tetikasa manao hoe: "Izaho anie bosista nefa minday, minday fihogo".

Dia alohan'ny nanokafako ny kahier dia mbola naka sary kely indray aloha. Fa razoky indray no nijery taty.

Dia avy eo tsy tany intsony ny eritreritro. Nony hiapa aho dia tsaroako fa nisy sipa nijery taty foana dia nalaiko indray ny fakantsary.

Dia nony niapaaho dia tsy naka sary intsony fa efa ampy angamba hoy aho izay. Fa ny nampihomehy dia nony tonga tao an-trano aho. Kay ilay fihogo efa tsy teo amin'ny lohako intsony. Yell

Raha fintinina dia mora ilay bosista fa sarotra ilay minday fihogo. Inona indray re ny tetikasa vaovao eh? Raha manam-potoana aho dia ndeha hanao t-shirt anaty lanezy. Dia refesina ny halavan'ny lelo avy eo. Yell Aza mba hitan-drahalahiko ito blaogy fa mamay angamba ny sofiko.

six daholo

1 2 3 4  Manaraka»